♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra misy eto ankehitriny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Resahana mandritra ny fikaonan-doha siantifika iraisam-pirenena, eny amin'ny Sekoly Ambony momba Siansa ara-pambolena eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana... ♦ Mbola sakana ho an'ny vehivavy tantsaha eto amintsika amin'ny asa fampandrosoana sahaniny, ny kolontsaina misy any aminy...

Ny fitsaram-bahoaka dia mitranga amina toe -javatra iray manamarika ny tsy fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ireo vahoaka entina dia manapa-kevitra ny vahoaka fa izy no mila mandray an-tanana ny momba azy na amin'ny lafiny inona izany na amin'ny lafiny inona... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

♦ Nosokafana ny antoandro teo ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Noresahin'ny filohany ny vahaolan'ny fitondràna amin'ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny... ♦ Mety hampidirina anatin'ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 ny fampiakarana ny hetra alaina amin'ny karama na ny IRSA. Anisan'ireo miahiahy izany ny Randrana Sendikaly... ♦ Nahatrarana solika voatapoka maherin'ny 7.000 litatra indray tany Toamasina. Olona 18 no voarohirohy, nosamborina tamin'izao raharaha izao... ♦ Niharan'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny tafika ny tsena iray any Khartoun. Olona 23 no namoy ny ainy, maherin'ny 4 ireo naratra vokatr'izany...

Ny volana malagasy dia miisa 12, izay nifototra tamin'ny teny "sansrite". Ny volana malagasy dia mifamatotra amin'ny toetr'andro sy ny asa fiveloman'ny toerana iray na foko iray. Ny volana malagasy ihany koa dia tsy miala amin'ny fizaran-taona ihany koa izany hoe ny lohataona, fahavaratra, fararano ary ny ririnina. Ny anaram-bolana malagasy dia samy manana ny mety ho fiantsoana azy toy ny an'ny foko Bara sy ny Tanala. Nisy mpikaroka malagasy miisa roa nanao fikarohana momba ny anaram-bolana malagasy izay misy mahasamy hafa azy dia Mopera Zafitsalama Jean Baptise sy Dokotera Rakotondrainy Jean Joseph... 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...