10 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

♦ Tontosa androany manerana ny OVEC 120, any amin'ny Distrika eto Madagasikara ny fanaovana ny antsapaka ny laharan'ireo kandidà ho Ben'ny Tanàna ao amin'ny bileta tokana, amin'ny fifidianana ny 11 desambra 2024... ♦ Anjaran'ireo tompon'andraikitra any amin'ny minisitera samihafa indray androany, no naneho ny heviny momba ny pôlitika anatiny amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Nankalazaina androany ny andro maneran-tany ho an'ny Paositra. Mivoatra sy manaraka ny toetr'andro ny Paositra Malagasy...

♦ Tontosa ny maraina teo ny fanaovana ny hatsapaka ny laharan'ireo kandidà anatin'ny bileta tokana ho an'ireo hiazakazaka amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna, laharana hamaritra ny fahafahan'izy ireo miditra amin'ny haino aman-jerim-panjakàna... ♦ Miantso ny hampitsaharana ireo tsindry mahazo ny mpiasam-panjakàna hampandany ny kandidàm-panjakàna amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ao amin'ny kaominina Mahaiza distrika Betafo ireo kandidà mpifaninana hafa... ♦ Marihina isaky ny 10 oktobra ny andro manerantany ho an'ny fahasalamana ara-tsaina, tsy ampy ny fandraisana sy ireo manampahaizana afaka manao tantsoroka ireo marary eto Madagasikara...

Soa ho an'ny vahoaka ny tetik'asam-panjakàna momba ny vaksiny ; mandritra ny volana oktobra 2024 dia hisy ny vaksiny faobe ho an'ny ankizy sy ny vehivavy bevohoka. Fisorohana eo amin'ny aretina miisa 11 eo no tombontsoa azo avy amin'ny fanatanterahana ny vaksiny ho an'ny zaza, mifanaraka amin'ny tetiandro faritan'ny mpitsabo : Lefak'ozatra, difteria, tetanosy, meninzita, koho-davareny, aretin'aty-B, aretin-tsofina, ny fivalanana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...