♦ Nanome toromarika ny hamotsorana ny vadin'ilay kôlônely namoaka horonan-tsary filazàna ny raharaha kolikoly misy eto Madagasikara ny filoham-pirenena, alina, tamin'ny fandaharana manokana... ♦ Nolavin'ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina marin-drano ny filazana fa nihemotra ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Very laharana 13 isika, araka ny tatitra navoakan'ny Reporter Sans Frontières... ♦ Niaka-bidy avokoa ny solika eto Madagasikara nanomboka alina. Fisondrotana 200 Ariary/litatra, araka ny fanovàna isam-bolana natao nanomboka tamin'ity taona ity...
05 mey — I Judith dia niaina tamin'ny taonjato faha-13, zanak'olona avy ao Thuringe ao Allemagne izy, ary nanambady Polonais. Niteraka maro izy ireo.
Ny fiombonana tadiavina dia tsy resaka natao hitadiavana izay marimaritra iraisana fa tena fiombonana anatin'ny tena fahamarinana. Ny Eglizy katôlika izay amafisin'ny Papa Benoît faha-XVI dia manana ny fitaovana feno ho amin'ny femonjena, izany anefa tsy misakana ny hanomezana lanja izay harena ao amin'ireo fiangonana kristianina hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 44-52)
Tamin’ny sabata nanaraka ny toritenin’i Paoly tao amin’ny sinagôga,
tany Antiôkia any Pisidia,
dia saika tafangona hihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no navevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:
“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra;
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany.”
Faly ny jentily nony nandre izany,
ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra,
mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe,
sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma,
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao antsa vao ny Tompo:
fa mahagaga ny zava-bitany!
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny!
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay fitiavany tsy mivadika!
He zahao e, ry vazan-tany,
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Aleloia. Aleloia.
Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa;
hatramin’izao,
dia mahafantatra Azy ianareo, sady efa nahita Azy.”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Asehoy anay ny Ray, Tompoko
dia ampy ho anay izany.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Izay ela izay no nitoerako teto aminareo
ka tsy mbola fantatrareo ihany ve Aho, ry Filipo?
Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray koa;
ka ahoana no anaovanao hoe:
Asehoy anay ny Ray?
Tsy mino ve ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko?
Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko;
fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa.
Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko;
na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy,
dia hanao ny asa ataoko koa,
ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho,
ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako
dia hotanterahiko avokoa,
mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo,
dia hotanterahiko izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco