Manan-danja ny Fiangonana satria ao anatiny no amolavolana ny mpivavaka. Fiombonan'ny Kristiana mifankatia ao anatin'ny finoana sy fanantenana ny Fiangonana. Mampiombona Andriamanitra ; misterin'ny fiombonana ny Fiangonana ary avy amin'Andriamanitra izany, tamin'ny alalan'ny Pakan'i Jesoa Kristy, mampihavana. Izy Jesoa no mpampiombona... Katesizy momba ny vavaky ny fiangonana, tany am-piandohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

6 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)

♦ Nisokatra androany eny anivon'ny OVEC isan-distrika ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Tsy mbola nisy kandidà nametraka firotsahan-ko fidiana ho an'ny OVEC sasany... ♦ Tsy nilaza mazava ny maha kandidà azy na tsia ny PDS Antananarivo, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Hihaona amin'i Tonizia anatin'ny fifanintsanana CAN 2025 anio alina, ny Barean'i Madagasikara. Any amin'ny Tonizianina ny tsindry, ka azo eritreretina tsara ny handresen'ny Barea, hoy i Franck Rajaonarisamba...

♦ Handray andraikitra tandrify azy hampizotra ara-dalàna ny fifidianana eny anivon'ny kaominina ny antenimieram-pirenena. Miantso ny CENI ihany koa hanatanteraka ny andraikiny amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny filohan'ity andrim-panjakàna mpanao lalàna ity, Tokely Justin... ♦ Hotohanana amin'ny famoronana asa ho an'ny tenany ireo tanora tsy an'asa amin'ny faritra iva ao an-drenivohitra ao. Mikarakara fampiofanana arak'asa faobe ho azy ireo ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa... ♦ Namolavola fandaharan'asa ahafahana miatrika ny loza voajanahary ny Croix Rouge Malagasy sy ny Croix Rouge Anglisy. Mamatsy vola tamin'izany ny governemanta Britanika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...