Ny tsy fanjarian-tsakafo dia isan'ny tranga matetika hita amin'ny zokiolona, izany hoe 33% amin'ireo zokiolona. Ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsy fahatomombanana amin'ny lafiny hery hoentiny, lanjany mifanahaka amin'ny toe-batana. Hita maso ety ivelan'ny vatana ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo : fihenan'ny hadirin'ny vatana, ahiazana. Fisorohana : fifampiresahana amin'ny zokiolona... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
26 febroary — I Nestor dia eveka maty martiry tamin'ny taona 251. Tao Magydos i Nestor no nitory ny Vaovao Mahafaly, Turquie amin'izao fotoana izao io toerana io. Ny Amperora Dèce no najaka tamin'izany ary maro ireo kristianina novonoina nandritra ny nanjakany ny taona 249 hatramin'ny 251.
Vokatry ny Batemy no nahatonga antsika ho isan'ny fianakavian'Andriamanitra, Andriamanitra Trinite Masina. Nanova ny maha izy antsika io, nanokatra ny lalam-piainana mampiombona antsika hatrany amin'Andriamanitra. ... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco