Ny "RANGO" dia karazan-dahabolana malagasy, atao an-kira amin'ny ankapobeny mitanisa ka misy ny mpiventy ary misy ny mpanaraka. Ny faritra manao ny "RANGO" dia ny anivon-tany, indrindra ny foko Merina sy ny Betsileo. Ny olona mpanao ny "RANGO" dia mety ho vondron'olona, tarika, fokonolona. Ny votoatin'ny rango dia mifantoka amin'ny loha-hevitra iray, arakaraky ny toe-java-misy ka mety ho fanakorana, fandrisiana, fandemen-tsaina ireo mpifanandrina, mety ho fankaherezana, sy fandokafan-tena. Maro ireo fomba no mety ahitana fanehoana "RANGO...

♦ Hivory ara-potoana voalohany manomboka anio ireo Antenimiera mpanao lalàna. Fivoriana haharitra 60 andro, handinihina tolo-dalàna sy volavolan-dalàna samihafa... ♦ Mitaky fihaonana mivantana amin'ireo Ministra eo anivon'ny Governemanta ireo Solombavambahoaka mpanohitra amin'izao fivoriana ara-potoana izao... ♦ Efa navoaka ny fonja omaly ihany ny vadin'ny Kôlônely Patrick Rakotomamonjy, taorian'ilay toromarika nomen'ny filoham-pirenena. Fahefana voafaritry ny lalàna velona izany, hoy ny mpahay lalàna... ♦Nametra-pialàna ny Praiministra any Roumanie, taorian'ny naharesy ny antokony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny alahady teo...

06 mey — I Dominique Savio dia ilay tanora salezianina, teraka tao Riva di Chieri tamin'ny taona 1842, tany akaikin'i Turin tany izany. Zaza faharoa amin'ny folo mianadahy nateraky hy ray aman-dreniny izy. Mbola kely dia efa nanana fitiavam-bavaka latsa-paka sy faharanitan-tsaina i Dominique Savio, vao efa-taona monja izy dia efa nahay sy nahavita ny vavaka Angélus, in-telo isan'andro.

Ny Jody : mifandray amin'Andriamanitra amin'ny fivavahany sy ny finoany izy fa tsy mifandray mivantana amin'ilay Eglizy vahoakan'Andriamanitra. Ny vahoaka Jody no anisan'izay nandray ny fampanantenana ary notiavin'Andriamanitra mandrakariva noho ireo Patriarka teo aminy ; tsy narian'Andriamanitra velively ny olony hoy i Masindahy Piera Apôstôly... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...