1 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)
Ny fialonana, ny tsy fanekena an'Andriamanitra dia mety hiafara amin'ny fahafatesana. Ny fialonana nampidirin'ny demony tao amin'ny zanak'olombelona dia niha nahazo vahana ka nahatonga ny olona hankahala ny namany. Manan-danja eo amin'ny fiainan'ny olombelona sy ny kristiana ny vavaka. Tsy maintsy manana ny toetran'olomarina isika mba hahatanteraka ny fahasoavana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Alahady faha-13 mandavantaona - B : Ny hahavelona antsika no irin'Andriamanitra ; Aleloia, Aleloia, Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Aleloia. Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra no ho fahambonianareo koa amin’ny fahasoavam-piantrana. I Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika...
30 jona 2024 — Alahady Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco