• Vinavinaina hitombo 10 paitrisa ka hahatratra 24 tapitrisa, ny isan'ny ankizy eto Madagasikara amin'ny taona 2050, raha manodidina ny 14 tapitrisa izany ankehitriny...
  • Manampy ny vehivavy sy ny ankizy mba hivoatra eo amin'ny fiainana ny fikambanana Wednesday Morning Group...
  • Hitondra vokatsoa ho an'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy i Eorôpa, ny fiaraha-miasa eo amin'ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara sy ny Tranoben'ny Varotra sy ny Indostria Frantsa sy Madagasikara...

  • Tanterahina izao antoandro izao eny amin'ny fasan-drazany eny Nandihizana-Mahitsy, ny fandevenana ny namana Rolland Rakotondramasy...
  • Namoaka andiana mpiofana 67 mianadahy manana fahasembanana ny ivon-toeram-panofanana olona manana fahasembanana eny Ampasampito, mpiofana teo ambany fiahian'ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa..
  • Hiady hevitra eny amin'ny lapan'ny tanànan'Antananarivo-renivohitra indray ny zoma 29 novambra izao ireo kandidà ben'ny tanàna, ady hevitra karakarain'ny fikambanana Friederich Stiftung...
  • Tanterahina anio tolakandro ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny fandevenana ny Kardinaly Miguel Angel Guixot, Prefet-'n'ny dicastère misahana ny dinika amin'ny samy finoana...

  • Nankatoavin'ny solombavambahoaka nandritry ny fivoriana hitambaramben'izy ireo omaly talata 26 novambra, ny volavolan-dalàna fankatoavana fampindramam-bola miisa 3...
  • Vehivavy 1 amin'ny 3 no hiaran'ny herisetra na efa niharan'ny herisetra nandritry ny androm-piainany teto Madagasikara, 13,7% ny vehivavy no iharan'ny herisetra ara-nofo...
  • Lehilahy 1 no tra-tehaky ny pôlisy niaraka tamina vola sandoka mitentina 168 tapitrisa Ariary nokasaina hamidiny tany Mananjary...
  • Miroso amin'ny fampitsaharana ny ady any Liban manomboka anio i Israely sy ny Hezbollah, fampitsaharana mandritra ny 60 andro araka ny fampitam-baovaon'i Elysée...

Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...