Ny zava-maniry "tangena" no nanaovan- Dokotera RASAMIMANANA Joseph fikarohana ary nampisongadina azy tany ivelany ; tamin'ny faha-25 taonany no nanaovany tohon-kevitra mikasaika izany, nahafahana nitily sy nampiasa ny singa atao hoe "tanghinine" ao anatin'io zava-maniry io, indrindra ny vokany amin'ny fo. Tsindry nataon'ireo mpitondra sy tompon'andraikitra no tsy nahafahan'io dokotera io naneho ny fahaizany tamin'ny sehatra lehibe. Rehefa lasa zanan-tany Frantsay i Madagasikara vao voatendry hiasa tamin'ny "hopital" ny dokotera RASAMIMANANA Joseph. Ny fampiasana ny "lali-manga" ho solon'ny "Antibiotique" dia voka-pikarohana nampitolagaga ny maro ; havanana amin'ny fandidiana ara-pahasalamana koa izy...
♦ Miditra amin'ny fahanginana ara-pifidianana ny manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara manomboka anio, taorian'ny fifaranan'ny fampielezan-kevitra. Andro isaintsinan'ny mpifidy rehetra... ♦ Nisy kandidà nandany hatrany amin'ny 18 tapitrisa Ariary isaky ny nanao hetsika nandritra iny fampielezan-kevitra iny. Nanao tatitry ny fanadihadiana nataony momba izay fandaniam-bolan'ny kandidà izay ny Transparency International ety Madagasikara, omaly... ♦ Nampiaka-peo ny Vovonan'ny Sekoly tsy Miankina, noho ny voalaza fa antsojay atao azy ireo. Nomena fe-potoana nomena hatramin'ny 15 mey teo ireo sekoly tsy miankina, hampihatra ny karama farany ambany...
Misy tokoa ireo tovovavy mitondra vohoka no tsy sahy mananatra sy miteny ny tovolahy mikasa hampanao zavatra tsy tiany sy tsy ankasitrahany, indrindra ny resaka filàm-pahafinaretana. Tokony ho tompon'andraikitra feno amin'ny fanapahan-keviny ny olona iray. Ny sakramentan'ny mariazy dia manambara fa ny fitiavan'ny mpivady dia endriky ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
28 mey 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco