• Mihamanatona ny morontsiraka avaratry ny nosy ilay rivodoza Chido, atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 3203 km, somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Hipaka amin'ny tapany avaratry ny nosy izy ny zoma izao...
  • Mahatsikaritra toe-javatra hafahafa momba ny lisitry ny mpifidy ampiasaina amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolotsaina rahampitso, ny antoko Tiako i Madagasikara sy Ramatoa Ravolomanana Lalatiana. Manainga ny vahoaka ho mailo izy ireo manoloana izany...
  • Nitombo iray indray ny fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, vatsian'ny FIDA vola...

Ny teny hoe Avent dia avy amin'ny teny latinina hoe:"adventus" izay midika hoe: "Ho avy". Manana tanjona roa ny vanim-potoanan'ny Fiaviana dia ny fotoana hiomanan'ny Kristianina amin'ny Noely ary fotoana hifantohan'ny saintsika amin'ny fiandrasana ny fiavian'ny tompo fanindroany amin'ny farandro. Miovaova isan-taona ny daty fanombohan'ny Fiaviana. Mizara herinandro efatra ary eo anelenelan'ny 27 Novambra sy 03 Desambra mazàna no fanombohany. Ny fanombohan'ny Avent, tamin'ny herinandro lasa teo no taom-baovaon'ny Eglizy, hidirana amin'ny taona litorzika vaovao, araka izany dia tafiditra indray ao anatin'ny taona litorzika, taona D isika izao. 

  • Lasa rivo-doza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy tao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny nosy ity rivo-doza ity amin'ny zoma izao...
  • Nanaitra ny maro ny vaovao navoakan'ny anabavin'Itompokolahy Richard Ramanambitana, PDS an'Antananarivo teo aloha. Nopoizinina no nahafaty azy, hoy izy, omaly hariva tamin'ny tambajotra-tserasera...
  • 2 ora isan'andro sisa amin'izao no mandeha ny herinaratry ny JIRAMA ao tampon-tanànan'i Manakara. Efa 2 volana izao no miaina izao delestazy goavam-be izao ny mponina any an-toerana...
  • Miverina miatrika fitsaràna manomboka androany ny Praiministra Israelianina am-perin'asa, izay henjehina amin'ny resaka kolikoly sy fanaparam-pahefana, ingahy Benjamin Netanyahou...

  • Tapitra tamin'ny misasak'alina teo ny fahafaha-manao fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna manerana ny nosy. Miditra anatin'ny "fahanginana ara-pifidianana" isika anio...
  • Tsy ara-dalàna ny naneken'ny CENI ireo lehiben'ny fokontany afaka nanangona anaran'olona sy nangataka "ordonnance" teny amin'ny Fitsaràna, hoy ny KMF/Cnoe...
  • Notsipahan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tarehimarika nivoaka momba ny laharan'i Madagasikara amin'ny tahan'ny fahantrana. Ny antontan'isan'ny Banky iraisam-pirenena ihany no loharanom-baovao marina hoy izy...
  • Nampiato ireo fandaharan'asa fanampiana rehetra an'i Géorgie i Royaume-Uni. Atnon'izany ny toe-draharaha pôlitika misy any amin'ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...