♦ Manentana ny rehetra, hivavaka ho amin'ny fahatanterahan'ny "conclave", hahazoana Papa vaovao ny filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Vokatry ny fandovana avokoa ny 70% amin'ny fananan'ny Malagasy tany, tokony hamoraina ny fomba ahafahan'ny tantsaha misitraka tany na mahazo tany ahafahany mampiasa tany ary manana izany hoy ny sehatra iombonan'ny fananan-tany... ♦ Hamporisihina handray andraikitra ara-politika sy ny fanamafisana fandriam-pahalemana ny tanora sy ny vehivavy eto Madagasikara hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak'Asa...
30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.
Ny Eglizy iraka dia ilay antsoin'ny Papa François hoe "Eglise en sortie". Ny isam-batan'olona, araka ny nandraisany fahasoavana dia tokony hitsinjara izany amin'izy samy izy, toy ny mpitantara tsy miangatra ny fahasoavana maro loha avy amin'Andrimanitra. Iraka takian'ny Batemy ny fifampizarana, indrindra tombontsoa, eo ambany fitantanan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco