Zava-Masina sy ambony ny mariazy. Ny mariazy dia sakramenta raisina vokatry ny safidy, izay ilàna fiomanana amin'io iraka io, dia ny ho vavolombelon'ny fitiavana sy hanohy ny asa-pahariana. Ny mariazy dia tandindon'ny fifankatiavana mandra-maty, fankatoavana ny andraikitra feno amin'ny maha ray sy reny, taratry ny fahaleovan-tena ihany koa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

3 mey 2024 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)

♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'i Maintirano. Notendren'ny Papa François ho Eveka any an-toerana i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana androany, ny ampahany tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy naratra vokatr'izany... ♦ Mahatsikaritra fihoaram-pefy samihafa ny KMF/Cnoe amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Miandrandra ny HCC handray ireo fepetra efa nambarany ity firaisamonim-pirenena ity...

♦ Raikitra indray ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana nataon'ny mpianatra Ankatso androany maraina, teny an-toerana nandrava ny hetsika ny mpitandron'ny filaminana, olon-tsotra iray no fantatra fa naratra amin'izao... ♦ Mikatona vonjimaika omaly voalohan'ny volana mey ny masoivohon'ny Kaompania Madagascar Airlines atsy amin'ny Nosy La Réunion any amin'ny taona 2026 vao hiverina ny sidina mankany ivelany hataon'ity kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Malagasy ity... ♦ 42% amin'ny fiara mifamezivezy ao Toliara tsy manara-dalàna avokoa hoy ny tale jeneralin'ny foibe fitsarana fiarakodia na ny DGSR... ♦ Any Avaratr'i Chine : tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay fihotsahan'ny lalambe...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...