Misitraka fiofanana hoan’ny mpampiofana mpampitombo amin’ny famokarana biolojika amin’ny alalan’ilay tetik’asa KCOA-KHEA ireo mpikamban’ny Filamatra Soa Iombona na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amin’ny faritra Analamanga. Fihofanana nandritra ny dimy andro natao tao amin’ny Foibe SAF FJKM na ny FOFIFAKRI Isoavina Ambanitsena distrikan’i Manjakandriana ny volana Mars 2024....
♦ Namaha olana amin'ny fahasarotana amin'ny famatsiana katsaka hatao sakafom-biby, ny fanafarana ity akora ity. Vahaolana vonjy maika manoloana ny tsy fahampian'ny katsaka anefa ny fanafarana, hoy ny IPA Madagascar... ♦ Vary maherin'ny 50 taonina no tsy maintsy nodorana ao Antsiranana noho ny fahasimbana. Natomboka omaly ny fandorana... ♦ Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity...
Singa anisan'ny mamparefo ny tanora maro amin'ny ady amin'ny fihanaky ny tsimok'aretina Vih/Sida ny fidorohana sy fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Miteraka voka-dratsy maro ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Tsara ny hafantaran'ny daholobe ny atao hoe "zava-mahadomelina", tahaka ny ahoana izany tafaroboka amin'ny fiankinan-doha. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Niakatra ho 86% ny tahan'ny fanaovam-bakisiny eto Madagasikara ankehitirny, raha toa efa tafidina ho 35% izany telo taona lasa. Mitentina 100 tapitrisa Dolara ny tetibola hiatrehana ny fandaharan'asa momba ny vakisiny eto Madagasikara amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nametraka fotodrafitr'asa fivarotana rano fisotro madio ao Analakely, ny ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny fandrafetana ny drafitra hitantanana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara, na ny PDSEM...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco