♦ Amehana eto amin'ny firenena ny momba ny herinaratra ka anara-maso akaiky ny fanatanterahana ny tetik'asa momba izany ny filoham-pirenena. Nihaona tamin'ireo delegasiôn'ny Banky Iraisam-pirenena niresaka ny momba izany Andriamatoa Andry Rajoelina omaly... ♦ Voasaringotra amin'ny raharaha kolikoly ny ankamaroan'ny mpiasam-panjakàna nohadihadian'ny Bianco. Noresahana nandritra ny fakan-kevitra natao tetsy Ambohibao ny fahitsian'ny mpiasam-panjakàna amin'ny ady amin'ny kolikoly... ♦ Hitarina hatramin'ny rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny faobe ho an'ny ao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano. Hotratrarina ny tahan'ny zaza vita vaksiny hatramin'ny 95%...

♦ Takian'ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifan'ny JIRAMA tsy voaloha ara-potoana. Milahatra ora maro ireo mpanjifa mandoa faktiora amin'ny masoivohon'ny JIRAMA ao an-drenivohitra... ♦ Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fanohanana amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny COI. Fitaovana maherin'ny 5,5 miliara Ariary no natolotra. Nanofana mpiasan'ny fahasalamana mpahay ny momba ny valan'aretina eny an-kianja... ♦ Mikokatra ho an'ny taom-pianarana 2024 - 2025 ny Oniversite Don Bosco ASSJA ao amin'ny diôsezin'i Moramanga. Lalam-piofanana 3 no misy ao...

♦ Iray volana mialoha ny fampielezan-kevitry ny fifidianana Ben'ny Tanàna isika izao. Kandidà roa na telo, amin'ireo fito ao an-drenivohitra, no hany manomboka miseho vahoaka tato ho ato... ♦ Mitaky ny hampitsaharana ilay tatao 5% amin'ny faktioran'ny mpanjifa tsy voaloa ara-potoana ny PMH. Filaharam-be no hita eny amin'ny biraon'ny Jirama, izay heverina ho vokatr'io tatao 5% io... ♦ Notohanan'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana ny rafitra misahana ny fahasalamana eto amintsika. Nisy ny lanonana ôfisialy mifandraika amin'izany teny Androhibe androany...

♦ Misokatra ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 ny Oniversite Don Bosco ASJA, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga... ♦ Antoky ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Ray masina tamin'ny alarobia 16 ôktôbra 2024... ♦ Manana ny anjara toerany avokoa ny olona tsirairay avy, ao amin'ny fianakaviambe maneran-tany, ka tokony tsy hisy olona iharan'ny fanilihana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...