♦ Tsy ho marin-toerana ny fahazoana ny maroanisa eny amin'ny antenimieram-pirenena amin'ny fe-potoam-piasan'ny solombavambahoaka manaraka eo hoy Andriamatoa Paraina Auguste... ♦ Notendrena ny governora mpisolo toerana ao amin'ny Faritra Atsinanana sy Ihorombe. Nesorina tamin'ny toerany koa ny governoran'ny Faritra Itasy sy Vatovavay... ♦ Omena lanja amin'ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny faritra 2024 ny Faritra Sava ny 7 jona hatramin'ny 9 jona ho avy izao. Nosokafan'ny Ministry ny raharaham-bahiny malagasy omaly teny Ansoy ity hetsika ity... ♦ Tafaverina amin'ny fianakaviany ny ankizy Ukreniana miisa 16 noho ny fifanarahana teo amin'ny Kiev sy Rosia...

Tsy misy vady tsy mifanentana. Manamafy izany ny zava-misy ao amin'ny Jenezy 24. Noheverin'i Abrahama ho zava-dehibe tokoa ny tsy nanambady ny zanany vavy, avy amin'ny kananeana niara-nonina taminy. Tsy tsara tarehy ve ireo tovovavy ireo? Mpiasa? tsy isalasalana fa nisy toy izany. Tsy tian'i Abrahama anefa izany ho an'ny zanany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

25 aprily 2024 — Masindahy Marka, Evanjelista — Fety — Izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika; i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)

♦ Mitaky ny famoahana tsy misy hataka andro ny kandidà Olga Ramalason, izay nampidirina am-ponja omaly eny Antanimora, ny RMDM... ♦ Notontosaina androany teny Anosy ny atrik'asa niarahan'ny FAO sy ny J.CIF ary ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandinihana ny paikady iatrehana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Niteraka fizarazarana ho an'ireo mpivarotra eny Ambodin'Isotry ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fanohizana na tsia ny asan'ny orinasa SMGD...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...