♦ Voafonja iray mamita sazy any Mandoto, ny iray tamin'ireo olona 54 voatana noho ilay fikomiana nitranga tao Ankazomiriotra, tamin'ny sabotsy teo, hoy ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Antsirabe... ♦ Tsy raikitra indray ny hetsika saika hataon'ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny ara-drazana sy Foko Malagasy, eny Mahamasina ho an'ny rahampitso sabotsy... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay, na voakasiky ny fiangazanana eto Madagasikara...

Ny fisotroana toaka be sy tsy tapaka dia mampitombo ny mety hisian'ny aretina maro toy ny homamiadana, aretim-po. Ny toaka dia miteraka poizina lehibe ho an'ny fo ary mampiakatra ny tosi-drà ka mety hiteraka aretina hafa. Ny fisotroana toaka dia miteraka tebiteby lava, lasa ketraketraka, mikorontana ny fitondran-tena ka lasa tsy mahafehy tena intsony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy. 

23 febroary 2024 — Zoma, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...