♦ Misy fiforonana andro ratsy ao amin'ny ranomasimbe Indiana, ka ahiana hivadika ho rivo-doza. Tany amin'ny 680 km atsinanan'i Sambava no nisy ny foibeny omaly hariva... ♦ Nanondrana volamena tamin'ny fomba ara-dalàna indray i Madagasikara nanomboka omaly . Bolongam-bolamena 2 kg no nalefa voalohany any ivelany, taorian'ny fandalovany "Guichet Unique"... ♦ Olona 30 farafahakeliny no nosamborina sy atao fanadihadiana, taorian'ilay raharahan'ny Zandary sy ny Fokonolona tany Ankazomiriotra. Nidina tany an-toerana ny ministra delege misahana ny zandarimariam-pirenena... ♦ Olona 150 farafahakeliny no voaheloka an-tranomaizina 14 andro any Rosia, noho ny fanaovan'izy ireo hetsi-pahatsiarovana an'i Alexei Navalny...
Misy voka-dratsy miantraika amin'ny vatana ny fandraisana zava-mahadomelina : miharatsy ny torimaso, aretin'andoho, miadana ny fofonaina, maloiloy sy te handoa, mora tezitra kely , mahatsapa mavesatra eo amin'ny sandry sy ny tongotra, mangidihidy ny vatana na mahatsapa mafana ny hoditra. Rehefa midoroka loa ny rôrô dia mety hisy fiantraikany ratsy amin'ny vatana sy ny saina... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
20 febroary 2024 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
♦ Misy fiforonana andro ratsy ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, any amin'ny 680 km atsinanan'i Sambava no misy ny foibeny, ny hariva teo... ♦ Nanondrana volamena amin'ny fomba ara-dalana indray i Madagasikara, ka bolongam-bolamena 2 kg no nalefa voalohany androany... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany manoloana ny fitifirana ilay Ben'ny Tanàna tao Tsimafana, Andriamatoa Saory Christian, zanak'i Belo Amoron'i Tsiribihina...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco