♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Matso eny Mahamasina rahampitso. Hiavaka ihany koa ny Afomanga eny Anosy anio hariva, amin'ny alalan'ny "Seho Drone" haharitra 20 minitra... ♦ Mafampana ny any Vangaindrano amin'izao fotoana mialoha ny fetim-pirenena izao. Hihetsika ny Ampanjaka Antefasy any an-toerana ho an'ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena rahampitso 26 jona 2024... ♦ Ny alakamisy 27 jona izao no hamoaka amin'ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny HCC. Hitodika eny Ambohidahy indray ny mason'ny rehetra aorian'ny fetim-pirenena... ♦ Nahafatesana olona sy naharatràna 37 hafa ny fifanosehana tany Rwanda, famoriam-bahoaka nataon'ny filoha Paul Kagamé...
♦ Mpitandro ny filaminana hatrany amin'ny 4.000 isa no handray anjara amin'ny Matso eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso 26 jona ; ho hentitra ny fitandroana ny filaminana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina rahampitso ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika, omaly... ♦ Tokony hakarina ny fahefa-mividin'ny vahoaka Malagasy noho ny fampiharana ny "vérité de prix" hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina. Nambarany fa hiteraka fidàngan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena ny firosoana amin'izany...
♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina amin'ny 26 jona, ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika androany... ♦ Lasa resabe ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, noho ny firosoana amin'ny “vérité de prix”. Hiteraka fidangan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena izany, hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina... ♦ Nitombo 31 mianadahy ireo “inspecteurs industriels” eto amintsika, hanampy ireo 20 efa amperin'asa...
♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco