♦ Efa nivoaka tanteraka any an-dranomasina ny foiben'ilay andro ratsy nandalo tany avaratry ny nosy. Hiitatra any amin'ny faritra avaratra-andrefana ny rotsak'orana aterany ato anatin'ny roa andro manaraka hoy ny Météo... ♦ Hanapan-kevitra amin'ny tohin'ny fitakiany ny Zoma izao ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna eto Madagasikara. Ampy izay ny fampanantenana tsy nahitam-bokany hoy ny filohany... ♦ Nametraka fanamby ny hamerina hasina an'Antananarivo ny filhan'ny delegasiôna manokana, omaly. Nomen'ny filoham-pirenena baiko sahady izy, hanala ny fakon'Antananarivo atao anatin'ny 7 ka hatramin'ny 10 andro...

Ny 2/3 amin'ny firenena eto ambonin'ny tany dia mamela malalaka ny atao hoe fanalan-jaza, tamin'ny taona 2014 dia nahatratra 57.000.000 ny fanalan-jaza tamin'io taona iray io. Ny antony mahatonga ny fanalan-jaza dia ny fahantrana, ny firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, vohoka tsy nirina ; fitondran-tena tsy mifanaraka amin'ny tenin'Andriamanitra ny vohoka tsy nirina vokatry ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambiana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

5 marsa 2024 — Talata, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

♦ Tsy nisy hatramin'izao ny valin-teny mahafa-po avy amin'ny Minisitry ny Fitsarana, manoloana ny fitakian'ny sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara. Hivory ary handray fanapahan-kevitra ny sendikà, ny zoma 22 marsa 2024... ♦ Nanao tsindrom-paingotra ho an'ny zandary, manolona ny kolikoy eny an-dalambe, ny Praiminisitra Ntsay Chrisitan androany, nandritra ny famindram-pibaikoana teo amin'ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Raikitra ny hazalambo atao amin'ilay lehilahy nanolana zazavavy kely 6 taona, tao Imerimandroso Imerintsiatosika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...