11 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
♦ Havaozina sy hatsaraina ny paikady fanabeazana entina miatrika ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina sy ny fifidianana solombavambahoaka ataon'ny SAFIDY. Misy ny atrik'asa ataon'izy ireo nanomboka androany any Antsirabe... ♦ Nahitam-bokany ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any amin'ny Distrika Ankazobe, tsara ary tokony ho tohizana izany hoy ny vahoaka. Na izany aza tsy mbola milamina tanteraka ny any an-toerana... ♦ Miisa 909 ireo voafonja voakasiky ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny filohan'ny Repoblika, ho an'ny fonja eny Antanimora. Nahatratra 263 ireo voafonja nahazo fahafahana hatramin'ny androany hariva ka efa nivoaka ny fonja...
♦ Mpikamban'ny governemanta Ntsay Christian : Ho fantatra ny faran'ny herinandro izao ny lisitry ny anaran'ireo ministra nahafeno ny fepetra... ♦ Nahatrarana vary simba 35 gony hafa indray tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, vary saika halefa tany Taolagnaro... ♦ Fako manodidina ny 500 taonina isan'andro eo no hesorin'ny mpiasa eo anivon'ny SMA ao Antananarivo-renivohitra, tsy maharaka ny fitaovana entina manala ireo fako... ♦ Misavorovoro tanteraka ankehitriny ny any Equateur taorian'ny fandosiran'i Adolfo Matias lehiben'ny fikambanan-jiolahy tao amin'ny fonja nitazomana azy ny alahady lasa teo...
Ny fahasalamana dia tsy tomombana raha tsy mahakasika ny vatana, saina, fanahy. Ny sakafo ara-pahasalamana sy madio, maro loko sy miovaova dia isan'ireo singa fototra loharanon'ny fahasalamana. Ny torimaso sy ny fahadiovan'ny vatana dia singa hafa ahazoana fahasalamana ihany koa. Ahitana trangana areti-maso any Mahajanga izay misy fambara : Mena ny maso, mangidihidy, misy tai-maso, mihena ny fahitana, fanaviana, aretin'andoha, mijohy fotsiny ny ranomaso, mivonto. Areti-maso mifindra amin'ny fifampikasohana koa mila manadio tanana matetika amin'ny rano sy savony, aoka tsy hikasika matetika ny maso. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco