Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 11, 1-4a. 5-10a. 13-17)
Tamin’ny fitsingerenan’ny taona,
nony mby tamin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady,
dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra,
ka nofongoran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà;
fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny i Davida
ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka,
dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro,
ary tsara tarehy erý ravehivavy io.
Nasain’i Davida nanontaniana hoe:
“Iza io vehivavy io?”
Ka izao no nolazain’ny olona azy:
“Io no i Betsebea, zanakavavin’i Eliama,
vadin’i Oria, Heteanina.”
Dia naniraka olona haka azy i Davida
ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy.
Ary nanana anaka ravehivavy,
ka naniraka nilaza tamin’i Davida hoe:
“Manana anaka aho.”
Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe:
“Alefaso hankatý amiko i Oria Heteanina.”
Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria.
Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria,
dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe:
“Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasà tongotra.”
Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria,
nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria,
teo am-baravaran’ny tranon’andriana,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nolazaina tamin’i Davida izany natao hoe:
“Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.”
Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny.
Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany,
teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida
ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy.
Izao no nosoratany tamin’ny taratasy:
“Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria,
dia mihataha avy aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.”
Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba
ka napetrany tamin’ny toerana farany fantany fa nisy lehilahy mahery indrindra i Oria.
Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna,
ka maro tamin’ny vahoaka,
tamin’ny mpanompon’i Davida, no maty;
ary maty koa i Oria Heteanina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 10-11
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako.
‘Zay lazainao tokoa no hany marina;
raha mitsara ahy Ianao ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.
Ampiravoravoy ny fanahiko
sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako,
dia koseho tsy ho hita ny heloko.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”
Ary hoy indray Izy:
“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
ahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”
Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tokony ho ny Lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanàna, no hotendrena ho PDS hitantana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique. Manaitra ny fitondrana izy ireo, hanendry izay hitantana ny Renivohitr'i Madagasikara... ♦ Olona 9 hatramini'zao no voarohirohy tamin'ilay fanafiahana nataon'ny dahalo 40 lahy, nahafaty ny Ben'ny Tanànan'Andranomiely, Distrikan'Ankazobe... ♦ Misy andro ratsy miforona indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Misy ny fampitandremana navoakan'ny Météo, momba habetsahan'ny rotsak'orana amin'ny fairtra maro manerana ny nosy...
♦ Efa nanainga ny delegasiôna voalohany hanatrika ny fanamasinana sy ny fametrahana an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, ho Evekan'i Tolagnaro... ♦ Ho mafy ny sivana ho an'ireo maniry ho kandidan'ny antoko TGV, amin'ny fifidianana amin'ity taona ity. Hiainga eny ifotony ny fanapahan-kevitra, hoy ny Sekretera Nasiônalin'ity antoko ity... ♦ Nifanolanan'ny Fiangonana iray sy ny fikambanana tsy miankina kosa ny tany mirefy 1500 m2, eny Ambatomaro ankehitriny. Nihemotra indray raha tokony hiakatra Fitsarana anio, ity raharaha ity...
♦ Tsy hisy intsony ny fanolorana kandida miainga avy any ambony, ho an'ny antoko TGV, fa homena sehatra ireo mpikambana any ifotony amin'ny fanolorana ireo olona izay hitan'izy ireo fa mendrika hirotsaka hofidina amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka... ♦ Tany mirefy 1500 m2 no nifanolanan'ny Fiangonana sy ny fikambanana tsy miankina iray, eny Ambatomaro... ♦ Hampiantrano ny fiadiana ny Tompon-dakan'ny Faritra faha-7, aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, eo amin'ny taranja Volley-Ball i Madagasikara, ny 22 febroary hatramin'ny 2 marsa 2024...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco