Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 3, 11-21)
Ry malala,
araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany
dia tsy maintsy mifankatia isika,
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina
izay avy amin’ilay ratsy
ka namono nahafaty ny rahalahiny.
Ary ahoana moa no namonoany azy?
— Dia satria ratsy ny asany,
fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Aza gaga, ry rahalahy,
raha halan’izao tontolo izao ianareo.
Isika dia mahalala fa niala tamin’ny fahafatesana
ho amin’ny fiainana, satria tia rahalahy.
Izay tsy tia kosa
mitoetra ao amin’ny fahafatesana.
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny,
dia mpamono olona,
ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona
manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Izao no nahafantarantsika ny Fitiavana:
nahafoy ny Ainy ho antsika Izy.
Koa tsy maintsy mahafoy ny aintsika
ho an’ny rahalahy koa isika.
Raha misy manankarena amin’izao fiainana izao,
ka mahita ny rahalahiny mahantra,
nefa mihirim-belona aminy,
ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Anaka,
aza tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika
fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika
eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha ny fontsika aza
manameloka antsika,
mainka fa Andriamanitra,
izay lehibe noho ny fontsika,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry malala,
raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 4. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira miravo!
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria nohariany.
Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo.
Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niroso nankany Galilea,
ary nifanena tamin’i Filipo Izy
ka nanao taminy hoe:
“Manaraha Ahy.”
Avy ao Betsaïda,
tanàna niavian’i Andre sy i Piera ihany koa i Filipo.
I Filipo kosa nifanena tamin’i Natanaely
ka nanao taminy hoe:
“Efa hitanay ilay voalazan’i Môizy
tao amin’ny Lalàna sy nambaran’ny mpaminany,
dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Moa mba mety hisy zava-tsoa va
avy any Nazareta?”
Dia hoy i Filipo taminy:
“Avia, ary zahao.”
Nony nahita an’i Natanaely
tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa,
izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely ka nanao hoe:
“Raby ô,
Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy.
“Mino ianao satria nilazako
fa hitako tao amin’ny ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
ao ambonin’ny Zanak’Olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mahazo laka indray ankehitriny ny tsy fandriampahalemana any amin'ny tapany andrefana amin'ny Faritry Vakinankaratra. Raim-pianakaviana iray no maty alina tao amin'ny kaominina Anjomahandramaritina noho ny fanafian'ny andihan-jiolahy miisa 50 lahy mirongo fitaovam-piadiana... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana Ben'ny tanona sy ny mpanolontsaina vinavinain'ny CENI hatao ny volana marsa 2024, ny antoko Humaniste Ecologiste, kaominina 12 no efa nahitan'izy ireo kandidà amin'izao fotoana izao... ♦ Nahazo fitaovana ara-pambolena nafarana avy any Japon hampiroboroboana ny sehatr'asa hataony eto Madagasikara ny tetik'asa ny Papriz ; notanterahana teny Nanisana ny lanonana fanolorana izany...
Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Handrasana anio ny fehin-kevitra farany amin'ny fihaonambe karakarain'ny Antenimiera Ray aman-dreny Foko Malagasy. Izy ireo izay mitaky ny hanoloana ny rafitra hitodràna ny firenena... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka ny volavolan-dalàna natolotry ny governemanta ahafahana mameno ny efatra amin'ireo tolo-kevitra lehibe miisa enina natolotry ny Vondrona iraisam-pirenena ho an'ny asa ara-bola na GAFI. Lalàna manova sy mameno ny andininy sasany amin'ny lalàna momba ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana... ♦ Tsy andraikitry ny rafitra vitsivitsy fotsiny ny fiantohana ara-tsakafo hoy ny FAO. Manentana ny isan-tokantrano hampiasa ny toerana misy hambolena...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco