9 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)
♦ Lany tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieran-doholona androany, ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024. Vinavinaina hiakatra 4,5% ny tahan'ny fitomboan'ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2024... ♦ Navotsotra ary nalefa nody ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa, tao aorian'ny nampiantsoana azy teny Fiadanana androany... ♦ Fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny handresy ny fahantrana eto Madagasikara. Mba hahatratrana izany dia mila mifampitsinjo sy mifanohana ny samy Malagasy...
♦ Nankalazaina androany ny fetin’i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin’ny fototra, nandritra izany no namoahana ny andiany Avotra tao amin’ny Centre d’Autonomisation des Femmes, iandraiketan’ny fikambanan’ny Masera FMA Ampasanimalo… ♦ Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona teny amin’ny Episcopat Ambatoroka ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Eokomenisima eto Madagasikara ny 06 sy 07 desambra 2023… ♦ Nitondra ny tenin’ireo tena marefo tsy afaka nanatrika ny COP 28, ny sampana katôlika…
Mila hamafisina ny fanohanana ny Faritra Atsimo-Atsinanana amin'ny ady atao amin'ny tsifanjarian-tsakafo. Nahazo vahana mantsy ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka sy ny mahery vaika taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Batsiray sy ny Emnati hoy ny governoran'ny Faritra Dokotera Mahafaky Justin. Nahatratra 48,5% ny tahan'ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka ho an'ny zaza latsaky ny 5 taona talohan'ny fandalovan'ny rivo-doza. Niakatra manodidina ny 50% izany taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza araka ny fanazavany...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco