♦ Ho filohan'ny FFKM indray ho an'ny taona 2024 ho avy io ny Pastora Dr Denis Rakotozafy. Anisan'ny asa miandry ireo mpitarika ny fanohizana ny fikatsaham-bahaolana manoloana ny toe-draharaha pôlitika eto amin'ny firenena... ♦ Voatazon'i Madagasikara ny kalitaon'ny Cacao tsara indrindra eran-tany. Namoaka ny lisitr'ireo firenena mitaàna ny famokarana kalitao tsara indrindra an'io vokatra io ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana izany... ♦ Mitaraina ireo mpiaro ny tontolo iainana fa henjehina mafy izy iero, noho ny fiarovany ny harena voajanahary. Mpisintona lakolosy momba ny fiarovana ny tontolo iainana miisa 3 no norahonana na nogadraina tao anatin'ny taona vitsy izao...
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.
Ny fanagasiana tsy nahomby noho ny paika tsy ampy nentina niatrika azy. Manan-danja amin'ny vahaolana momba ny fanagasiana ny fanagasiana ny toe-tsaina satria ny faharesen-dahatra anaty dia tombony lehibe hafahana mifototra amin'ny fampiasana ny teny malagasy. Maro no mihevitra fa olona mahay raha mahay teny vahiny. Tsara ny manamarika fa ny teny dia vata fitahirizana ny kolontsaina. Mba hanamorana ny fanagasiana dia ny fametrahana lalàna mikasika ny fampiasana ny teny malagasy sy izay rehefa maha malagasy no atao vaindohan-draharaha...
♦ Mikaikaika amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ny maro amin'izao fotoana izao. Hampandeferina ireo karazana haitraitra amin'ny fandaniam-bola fa ny sakafo sy ny hofan-trano no laharam-pahamehana hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Mikasa ny hirotsaka ho fidiana ho ben'ny tanàna an'Antananarivo ny mpanolontsaina monisipaly Hilda Hasinjo Ravelonahiana. Fihemorana no hita ao Antananarivo renivohitra tao anatin'ny 4 taona hoy izy... ♦ Teratany vahina 10isa no voasambotra tany amin'ny reniranon'i Kamoro Maevatanàna noho ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko. Mitohy ny fanadihadiana azy ireo, hahafantarana ny tena atidoha, hoy ny Ministeran'ny Harena ankibon'ny tany...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco