Ny lalao dia fialamboly hikatsahana fafinaretana, fitaizana sy fanabeazana. Ny tanjona amin'ny lalao iray dia fitantanana ny olona iray haleo-tena, hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy, hahay hiaina fandresena sy fahombiazana. Ny lalao dia nentina namondronana olona maromaro hisehoan'ny firaisan-kina. Ny lalao malagasy dia maro ary misy ho an'ny sokajin-taona rehetra sy ny sokajin'olona : vavy sy lahy, zaza, ankizy, tanora, lehibe. Ny lalao dia sady afahana mampiasa vatana no azo hampiasana saina ihany koa. Ny dihy sy ny hira dia isan'ireo lalao malagasy...
♦ Nosamborina teny Analakely ary navotsotra omaly tamin'ny 8 ora alina ihany ny kandidà ho filoham-pirenena Jean Jacques Ratsietison, anatin'ny vondron'ny kandidà. Tsy fantatra mazava ny antony nisamborana azy... ♦ Nidoboka eny am-ponja vonjimaika ny 5 tamin'ireo olona miisa 11 nosamborina, noho ny fihetsiketsehana ny sabotsy, nandritra ny hetsika fotsy notarihin'ny vondron'ireo kandidà. Ny 9 novambra izao ny fotoam-pitsaràna azy ireo... ♦ Nofoanana vonjimaika ny sidina iraisam-pirenena sahanin'i Madagascar Arlines, noho ny fantiantoka ara-bola. Nanazava ny momba izany omaly ny tale jeneralin'ity kaompania an'habakabaka nasiônaly ity...
Ao amin'ny Eglizy, manana toerana lehibe ny fianakaviana araka ny fomba fiteny efa mahazatra antsika hoe ny fianakaviana dia Eglizy kely ao an-tokantrano. Sarobidy eo imason' Andriamanitra ny fianakaviana satria teo amin'ny tantaram-pamonjena, fianakaviana tao Nazareta no nidiran'ilay Olona faharoa amin'ny Trinite Masina ka nanatanterahiny ny Mistery Fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
7 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco