Ny famporisihana ny lahika hikatroka amin'ny politika dia nisongadina tao amin'ireo hafatra an-taratasy avy amin'ireo Eveka. Ohatra : 26 marsa 1972 "Ny Eglizy sy ny fivoarana eto Madagasikara" izay mandrisika ny lahika hiaro sy hampitombo hatrany ny soa iombonana sy ho fampivoarana ny tanindrazana. 2 desambra 1973 : "Ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena" izay manazava ny anjara andraikitry ny Eveka mikasika ny politikam-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
5 desambra 2023 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 10, 21-24)
♦ Velon-taraina amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ankehitriny, ny olona nanaovan'ny RDB fanadihadiana. Tsy mahatody iray volana intsony ny karama raisina, hoy izy ireo, ka tsy maintsy mikaroka asa hafa hanampiana ny misy... ♦ Tsy mamaha ny olan'ny sôsialim-bahoaka, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjfa MCI, ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2024. Ambany avokoa ny tetibola natokana ho an'ireo departemanta misehatra amin'ny sôsialy... ♦ Tokony halalaka amin'ny fanendrena ireo minisitra handrafitra ny governemanta vaovao, ny Filoha voafidy, Andry Rajoelina, hoy ny antoko Freedom...
♦ Feno 75 taona omaly ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ary araka ny Làlan'ny Eglizy, dia efa nametraka ny taratasy fametraham-pialany izy... ♦ Soa ara-panahy hamelona antsika no andrandraina amin'ny taon-jobily, hoy ny hafatry ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-85 taonan'ny SASEM, ny sabotsy teo... ♦ Mila miomana sy mandamina ny trano ho amin'ny fahatongavan'ny Mpamonjy isika, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco