• Efa mivoaka ireo sary famantarana sy hira faneva ho fankalazana ny Andro Nasionaly ho an'ny Vovonan'ny Olondehibe... • Nozaraina ho Vikaria Episkopaly telo ny Diosezin'i Farafangana... • Nanao antso avo ho fanafoanana ny sazy fanamelohana ho faty, ny Papa François...

Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo.Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.

• Filana voa tsy ary sy filana kisa ary fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny fametrahana amin'ny fomba ofisialy ireo Ben'ny Tanana tsy lanim-bahoaka tamin'ny fomba demokratika, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Vatomandry... • Hanamora ireo dinika ara-panjakana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy i Japon ny AEMAJA... • Manamafy ny fahaiza-manao eo amin'ny fampianarana, ireo mpampianatra miisa 134 avy amin'ny sekoly katolika, ao amin'ny Diosezin'i Mahajanga...

Ny fianakaviana dia antso sy fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra, toerana voalohany itomboan’ny fitiavana sy ny fanantenana. Toy ny zaridaina, mila fikarakarana sy fitiavana ary faharetana ny fiainam-pianakaviana mba hahafahana miaina sy manome aina vaovao ho an’ny tsirairay. Amin’ny alalan’ny Sakramenta, indrindra ny Mariazy sy ny Eokaristia, dia omban’Andriamanitra sy ampaherezina ny mpivady sy ny fianakaviana. Ankehitriny dia antsoina isika hikarakara sy hanatsara ny fifandraisana, ny fihavanana ary ny fahamasinana ao anatin’ny fianakaviana... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...