Fantaro ny zava-misy ara-toetr'andro ankehitriny sy ny vokatr'izany eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Niteraka voka-dratsy maro eo amin'ny lafin'ny fahasalamana ny fiovan'ny toetr'andro ka aleo misoroka toy izay mitsabo, ary izay tsara fiomanana tsy tampohin'ny loza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦ Misy fepetra, manomboka izao, tsy maintsy arahan'ireo mikasa hanao fihetsiketsehana pôlitika, araka ny fepetra noraisin'ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Mbola hanohy ny hetsika fanaony ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena anio. Hetsika izay ambaran'izy ireo hatrany fa diabe am-pilaminana... ♦ Niroso tamin'ny fandravana ireo mpianatra anaty efitrano, ireo mpianatra avy amin'ny Faculté an'ny Sciences, izay nanao fitokonana teny Ankatso, ho an'ny omaly...
Ny rafi-pandaminan'ny olona no tokony hifehy ny rafi-pandaminan'ny zavatra fa tsy ny mifanohitra amin'izany tsy akory : " Ny fanasoavana ny olona no tsy maintsy tsinjovina mandrakariva amin'ny fandaminam-bahoaka sy ny fandrosoany. Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin'ny fanatanterahany ny fepetra afahan'ny fikambanana sy ny isam-batan'olona mahazo ny zon'izy ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
20 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco