Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Miteraka olana eo amin'ny vatana ny tsy fananana asa satria rehefa noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy. Mahatonga henatra ho an'ny olona iray ny tsy fananana asa, eo amin'ny fiaraha-monina. Ny tsy fananana asa dia antony mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana, sy ny herisetra satria betsaka ireo te hahazo vola haingana. Mety hanova ny fitondran-tena ny tsy fananana asa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

8 septambra 2023 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)

♦ Kandidà roa tamin'ireo 28 nanatitra taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC, no nitsoaka an-daharana hatramin'ny androany. Anisan'ireny ny Solombavam-bahoaka Masy Goulamaly... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao ny Fadintseranana, amin'ny fikirakirana taratasy momba ny fiarakodia hampidirina eto amintsika... ♦ Mbola mandringa ny lalàna eto amintsika, hanenjehana ireo mpanao herisetra ara-nofo eny anivon'ny sekoly sy ny Anjerimanontolo. Manao adisisika hanatsarana izany ny ONG Tolontsoa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...