♦ Handrasana hatramin'ny sabotsy 9 septambra izao farafahatarany ny anaran'ireo kandidà afaka hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ny 9 novambra. Nisitona ny firotsahan-ko fidiana indray moa omaly ny kandidà Masy Goulamaly.... ♦ Mandalo eto Madagasikara ny iraka manokan'ny OIF. Nihaona tamin'ny Praiministra Ntsay Christian izy ireo. Niompana tamin'ny zotram-pifidianana eto amintsika ny dinika natao tamin'izany.... ♦ Hotanterahana anio hariva any Angola ny lalao miverina eo amin'ny Barean'i Madagasikara sy ny ny ekipam-pirenena Angolais ho an'ny baolina kitra. Vonona hibata fandresena ny ekipa tarihan'i Maître Rôrô...
Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nifarana omaly ny fahafahana manatitra ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry hirotsaka kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 9 novambra ho avy izao. Miisa 28 ny kandidà nanatitra izany teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy... ♦ Nanambara tamin'ny fomba ôfisialy amin'ny maha kandidà azy amin'ny fifidianana filoham-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina. Ny vahoaka hoy izy no masimandidy eto amin'ny firenena... ♦ Mihatra ao Antananarivo sy ny manodidina nanomboka omaly hatramin'ny rahampitso ny fepetra manokana hitandrona filaminana. Tsy azo ekena ny hetsika tsy manara-dalàna mety hitarika korontana hoy ny Préfet an'Antananarivo ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...
Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco