♦ Tsy afaka manao ny tatitra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny sabotsy izao ny solombavambahoaka TIM ao Antananarivo Renivohitra hoy ny Prefet an'Antananarivo. Azon'izy ireo atao eny amin'ny Magro Tanjombato izany tatitra izany araka ny valin'ny fangatahana nataon'ny députés omaly... ♦ Velon-taraina ireo mponina amin'ny tanàna iray any amin'ny Faritra Menabe fa maro izy ireo no tsy tafiditra tao anatin'ny lisi-pifidianana ka tsy afaka manefa ny adidiny amin'ny fifidianana... ♦ Mbola tsy ampy ny isan'ny pôlisin'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara. Takian'izy ireo ny hampitomboana ny isany... ♦ Miatraika amin'ny seha-pampianarana ny herisetra sy ny tsy fandriam-pahalemana any Burkina Fasso...

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Raha tsara ny vokatry ny safidinao dia tombony ho anao izay, raha ratsy koa dia mbola mifototra aminao ihany koa ; noho izany dia ny safidinao no mamaritra ny ho avin'ny ferenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hitohy anio indray ny hetsi-pitakiana ataon'ny vondron'ireo kandidà 11 mitaky ny hanajàna ny lalàna manan-kery. Tontosa omaly ny fihaonana mikaton-trano niarahan'izy ireo tamin'ny mpanao pôlitika sy ny herivelona... ♦ Mikasa hanao tatitra amin'ny vahoaka eny amin'ny kianja ny  13 mey ireo solombavambahoaka TIM lany tao Antananarivo renivohitra miaraka amin'ny ireo solombavambahoaka mpanohitra. Tafapetraka omaly teny amin'ny prefet eny Tsimbazaza ny taratasy fangatahana... ♦ Handray fepetra amin'ireo minia manely vaovao tsy marina amin'ny fisian'ny zandary vahiny midina eny an-kianja, manampy ireo zandary malagasy ny mpitandro filaminana... 

Ilain'ny soa iombonana ny hiantohan'ny fahefana mifehy, amin'ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain'ny mpiara-monina sy ny an'ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken'ny lalàna ataon'ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. Hoy ny konsily :"tsy hoe rahefa tsy misy ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy ankilany dia mandry fehizay ny tany..." Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...