Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
4 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 57-62)
♦ Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny Anosy androany tolakandro, nanaparitahana ny vondron'ny kandidà 11 sy ny mpiara-dia aminy. Tsy hijanona ny tolona, hoy izy ireo, fa mitohy hatrany... ♦ Namaly bontana ny fanakianana sy ny fitakiana ataon'ny vondron'ny kandidà 11, ny kandidà laharana faha-3. Tsy ny mpanohitra, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina, no hanala ny fitiavan-tanindrazana sy ny maha malagasy azy, nanoloana ny mpiara-dia aminy teny Ivandry... ♦ Miantso ny fampitsaharana ny fifampihantsiana sy ny fifandranitana miteraka korontana ny FFKM, tamin'ny fanambarana nataony androany...
♦ Mihidy tanteraka ny fifamoivoizana miditra an'Analakely, nanomboka ny maraina teo. Andrasana izay mety ho zava-miseho, tao aorian'ny filazan'ny vondron'ireo kandidà 11 ny fitohizan'ny hetsika ho eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, anio... ♦ Nanao fanambarana ny FFKM ny maraina teo, manoloana ny toe-draharaha ankehitriny. Miantso fitoniana izy ireo, hampitsahatra ny fifampihantsiaka sy ny fifandranitana, izay mety hiteraka fifandonana eto amin'ny firenena... ♦ Nahatratra 300 tafo ireo kilan'ny afo tao Isalo, ao an-tampon-tananan'i Vohipeno omaly, vokatr'ilay savorovoro nitranga tany an-toerana...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco