♦ Miantso fitoniana manoloana ny fiatrehan'ny firenena fifidianana ny Ministry ny fiarovam-pirenena. Samy tokony hitandro ny soa iombonana ny rehetra hoy ny jeneraly Rakotoarijaonina Josoa... ♦ Nampahafantarina omaly tetsy amin'ny CCI Ivato ny Vovonana manohana ny kandidà Andry Rajoelina na ny UPAR. Hanao izay hampandaniana io kandidà io amin'ny fihodinana voalohany izy ireo... ♦ Azo atao tsara ny manodina ho lafarinina ny vokatra maro ankohatra ny varimbazaha. Miantso ny Malagasy hampiasa izany ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin'ny ONN... ♦ Notafihan'ny miaramila Ukrenien tamin'ny alalan'ny misila ny toby fibaikoana an'ny tafika an-dranomasina Rosianina tao Sebastopol...
Ny Eglizy dia manentana mba hialàna amin'ny fanambakana olona sy ny fitsetsafana. Entanina ny rehetra indrindra ireo mpampiasa mba hanaja ny zon'ny mpiasa dia ny zo hiala sasatra. Isan'ireo zo voaresaka matetika : ny fialan-tsasatra sy ny zo hanana toeram-piasana tsy manohitohina ny aina... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
23 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 4-15)
♦ Kihon-dàlana lehibe atrehan'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fanatanterahana fifidianana, ka samy manana andraikitra amin'ny fitandroana ny fahalemana ny rehetra, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Hampandany ny kandidà fahatelo, Andry Rajoelina, ny vovonana UPAR, izay vao nijoro sy nampahafantarina androany... ♦ Solontenan'i Madagasikara manatrika ny fihaonana an-tampony ho fampandrosoana ny indostria aty Afrika, atao any New York, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco