Ny hoe "mivoaka itany" dia dingam-piainana ny zaza, fanombohan'ny fahavelomana sy ny fiainana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Ny fitondrana vohoka tamin'ny malagasy dia 10 volana araka ny fanisàna andro malagasy. Herinandro eo ho eo ny fifanana ao anaty "komby" ary eo amin'ny havalon'andro no hirisoana amin'ny "mivoaka itany". Ny fomba hatao mandritra ny "mivoaka itany" dia haingoina ny olon-dehibe velon-dray aman-dreny hitrotro ilay zaza izay hotronon'ny zatovo lahy na vavy mitondra fitaovana samihafa. Raha lahy ilay zaza hoentina hivoaka itany dia zatovo lahy mitondra famaky sy tady mahazaka ary mizana no manaraka aoriana, raha vavy kosa dia zatovo vavy mitondra saronkarona no manotrona azy...

♦ Fiaraha-monim-pirenena 41 indray no nanao fanambaràna miaraka omaly, fa tsy manaraka ny Lalam-panorenana ny fanapahan'ny HCC, izay nanome fahefana ny Governemanta ifarimbonana hitantana ny firenena... ♦ Kandidà roa amin'ireo 13 isa ihany no nandefa solontena nihaona tamin'ireo mpikamban'ny CENI teny Alarobia, omaly, momba ny fiomanana mankany amin'ny fifidianana. Tsy miteraka olana amin'ny fomba fiasa izany hoy ny teo anivon'ny CENI... ♦ Tsy mbola niverina ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso omaly, izay fotoana voatondro hiverenan'izany, araka ny fanapahan-kevitry ny filan-kevitra siantifika. Nihemotra amin'ny herinandro indray izany, raha ny hita teny an-toerana...

Ny tontolo ambanivohitra no tena endriky ny fahariana sy fampandrosoana. Mendrika hifantohan'ny saina manokana ny asa eny ambanivohitra, noho ny anjara mbola tontosainy eo amin'ny sehatry ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina ary ny fiharian-karena. Mila fitsinjovana manokana ny tontolo ambanivohitra sy ny asa fanao eny satria ilaina ny fanovana hatrany ifotony. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

19 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...