♦ Voasambotra tany Londres, noho ny fitakiana vola tamin'ny orinasa iray mpitrandraka harena an-kibon'ny tany, ny Talen'ny Kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa... ♦ Nanambara ôfisialy ny hirotsahany ho kandidà Filoham-pirenena, Andriamatoa Rolland Ratsiraka... ♦ Miombon-kevitra sy manamafy ny fitakian'ny SECES Sampana Antananarivo, ny ENS. Miato avokoa ny asa rehetra eny Ampefiloha...

Ny asam-panjakàna dia isan'ny voaresaka ao amin'ny Baiboly ihany koa dia ny niantsoan'i Jesoa Kristy an'ireo mpamory hetra. I Matio dia mpamory hetra no nantsoin'i Jesoa Kristy ary nanaiky araka nanao asa araka ny andraikitra nomena azy. Ny Polblikana dia mpiasa-panjakàna, mpamory hetra teny amin'ny seranan-tsambo, mitaky hetra mihoampapana, anefa nanaiky hiova ho mpanarato olona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

14 aogositra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo — Taona tsy ankasa — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

I Jesoa Kristy no teny tonga nofo ary nofo tonga mofo, izy ilay voa nafafy, ilay raisina ao amin'ny Eokaristia. Ny Kristiana vita batemy no tany hamafazana izany Eokaristia izany, izay miaina ny finoana sy ny fanantenana. Ny mpino dia azo hambara ho tany lonaka, indrindra raha mazoto mandray Kôminio sy ny sakramentan'ny fampihavanana. Ny fitiavam-bavaka sy ny asa fihatrana ary ny fitiava-namana no hendriky ny rano entina hanondrahana ny finoana mba hivelatra.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...