♦ Tsy ny fananan'ny filoha am-perin'asa zom-pirenena roa no olana amin'ny tontolo politika eto amintsika fa ny tsy fizakàny ny zom-pirenena malagasy intsony hoy Jean Jacques Ratsietison. Hitondra ny fanehoan-keviny eto ity kandidà tamin'ny fifidianana tamin'ny 2018 ity... ♦ Hampiakatra saran-dalana indray ireo mpitatitra amin'ny zotra nasiônaly amin'izao vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra izao. Nampiaka-peo manoloana izany ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Miahiahy fisomparana ny JIRAMA, noho ny fahatampahan-jiro tamin'ny faritra maro teto Antananarivo ny alahady alina teo, nialoha kely indrindra ny fandaharana manokana nataon'ny Filoham-pirenena. Natao ny fitsirihina rehetra saingy tsy nahitàna tsy fahatomombanana...
Ara-tsoratra masina, ny atao hoe "asa" araka ny Eksaody : Ny vahoaka Jody izany hoe ny Israelita dia nandevozina hiasa, ireo taranak'i Jakoba, niasa toy ny biby, tsy araka ny sitrapony ; mampiseho ny endriky ny asa fanandevozana. Vokatr'io fanandevozana io no nampiseho tsikelikely ny asa-pamonjena. Nivoatra ny famaritana ny asa satria niparitaka ny kolontsaina grika lasa fanompoana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
18 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)
♦ Ny tsy fahampian'ny mpiambina ny fanadinana Bakalorea, no olana hita tamina foibem-panadinana sasany androany... ♦ Tahotra ny mbola ho firotsahan'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ho avy, no niezahana nivoizana ny resaka zom-pirenena frantsay nanany, hoy ny Loholon'i Madagasikara, Tsiebo Mahaleo... ♦ Niverina nanatanteraka fiandrasan-draharaha nanomboka androany hatramin'ny alakamisy ho avy izao, ireo mpiasa eo anivon'ny CNaPS...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco