Ny Eglise miara-dia maneho ny fiaraha-misalahy, fiarahana manatratra tanjona iray. Rehefa tsy miara-dia dia trotraka eny an-dalana ; toy ilay zaza mpandany izay trotraka noh ny fisitahany tamin'ny ankohonany, ary ny zokiny lahy dia nisitaka tamin'ny fiombonana ao amin'ny rainy. Fepetra tsotra amin'ny fifandraisana ao an-tokantrano : fifampitokisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
22 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)
♦ Voafaritra ny paikady ho fanatsarana ny fifandraisana ho an'ny ivon-toerana tantanan'ny Saleziana Don Bosco, momba ny fampianarana sy ny fanofanana araka'asa ho an'ny tanora... ♦ Miroso mankany amin'ny taona fotsy ankehitriny ny fahanginan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nakaton'ny SECES ny vavahadiben'ny Oniversiten'Antananarivo androany... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny Kômity mpikarakara ny lalaon'ny Nosy ny Taxi-Moto, manoloana ny fanesorana ny toeram-piantsonana misy azy ireo...
♦ Tanora mafana fo, vontom-pinoana, mitory ny Evanjely: io no hafatra napetrak'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandritra ny Eokaristia Masina fanirahana ireo tanora, namaranana ny JMJ faha-3 ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nifarana ny alahady lasa teo ny fankalazana ny ivon'ny faha-50 taonan'ny Vondrom-bavaka Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, natao tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga. Tao anatin'izany ihany koa no nanatontosana ny Fihaonambe Nasiônaly faha-15 sy ny fankalazana ny faha-10 taona nisian'ny "Croisade" sampana tanora eo anivon'ity Vondrom-bavaka ity...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco