♦ Nilaza ny Praiminisitra androany fa tsy manana eritreritra ny hanova ny làlam-pifidianana, na eo aza ny fitakian'ny mpanohitra sy ny fiarahamonim-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana ny antoko MMM androany, nilaza fa mandika ny làlana laharana 2018-008, momba ny fifidianana ny CENI. Tsy mipetraka, hoy ny antoko, ny finiavana hametraka ny mangarahara sy hanaja ny làlana mandritra izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao... ♦ Miverina indray ny fisiana solika mitapoka eto amintsika, raha ireo vaovao samihafa, nivoaka tato ho ato. Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI...
♦ Manentana ny solombavambahoaka ny firaisamonim-pirenena hamporisika ny Mpanatanteraka hanao soson-kevitra fanitsiana amin'ny teti-bola ankehitriny mba hamaly ny filàna hanatanterahana ny fifidianana madio sy marina eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana ny 15 hatramin'ny 18 jona 2023 ny andiany faharoa amin'ny hairanty biôlôjika eto Madagasikara. Mifanindran-dalana amin'izany ny Fampirantiana Iraisam-pirenena ho an'ny Fizahan-tany eto Madagasikara "ITM 2023"... ♦ 19 andro mialoha ny hiatrehan'ny ekipam-pirenena malagasy amin'ny taranja baolina kitra ny lalao amin'ny fifanitsanana ho an'ny CAN 2023 dia mbola tsy fantatra mazava hatramin'izao izay ho mpanazatra ny Barea an'i Madagasikara...
Bokin’i Siràka (Ekl 36, 1-2. 5-6. 13-19)
Mamindrà fo aminay, ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo;
ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.
Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay,
fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo!
Avereno indray ny famantaranao, ataovy indray ny fahagagana.
Angony avokoa ny fokon’i Jakôba
ka avereno aminy indray ny lova toy ny tamin’ny voalohany.
Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao,
izay antsoina amin’ny Anaranao sy amin’i Israely
izay nataonao toy ny lahimatoa.
Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina,
dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao.
Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna
ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.
Mitsangàna ho vavolombelona miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany
ary tanteraho ny fampanantenana nataonao amin’ny Anaranao.
Valio soa ireto olona manantena Anao,
ary aoka ho hita fa tò teny ny mpaminaninao.
Henoy, ry Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao,
araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao,
ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany
fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 78, 8. 9. 11. 13
Aza dia tsarovana hamelezana anay
ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana:
fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay,
ry Andriamanitra Mpamonjy:
noho ny voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay noho ny Anaranao!
Aoka ho tody eo anoloanao
ny senton’ireo mpigadra!
Araka ny halehiben’ny sandrinao,
afaho ireo voatondro hovonoina!
Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao
dia hisaotra Anao mandrakizay,
ary hitanisa ny fiderana Anao
amin’ny taranaka mifandimby!
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 32-45)
Tamin’izany andro izany,
nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra,
dia i Jesoa no loha lalana,
ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy.
Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy
ka nilazany ny hanjò Azy:
“Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika,
ary ny Zanak’Olona dia hatolotra
amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily;
dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny,
fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.”
Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.”
Ary hoy Izy:
“Inona no tianareo hataoko aminareo?”
Dia hoy ireo:
“Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao,
ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tsy fantatrareo izay angatahinareo;
moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo,
na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?”
Hoy ireo taminy:
“Zakanay.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Raha ny kapoaka hosotroiko,
dia hosotroinareo ihany tokoa,
ary ny batemy hanaovana batemy Ahy
dia hanaovana batemy anareo ihany koa;
fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa
dia tsy ahy ny hanome izany,
fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.”
Nony nandre izany izy folo lahy
dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany;
fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao,
dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy,
ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana.
Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany;
fa izay te-ho lehibe indrindra
no aoka ho mpanompo anareo,
ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo
no aoka ho mpanomponareo rehetra.
Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo,
ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin'ny Jenezy (Jen 3, 9-15. 20)
Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama,
dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe:
“Aiza moa ianao?”
Hoy ny navaliny:
“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.”
Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?”
Hoy ny navalin-dralehilahy:
“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:
“Ahoana no nanaovanao izany?”
Hoy ny navalin-dravehivavy:
“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.”
Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:
“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao
ary vovo-tany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”
Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)
Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)
Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa
ny reniny sy ny rahavavin-dreniny,
dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena.
Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany
nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny:
" Ravehivavy, indro ny zanakao."
Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra:
" Indro ny reninao."
Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa
fa efa tanteraka ny zavatra rehetra,
ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina:
" Mangetaheta aho."
Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo,
ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra,
sy notohizana tamin'ny hazo hisopy,
dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe:
" Tanteraka ny zavatra rehetra."
Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody
mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina,
mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany
sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo,
dia hitany fa efa maty sahady izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco