♦ Tsy maintsy hovaina ny lalàm-pifidianana, raha tiana ny hametraka ny vola azon'ny kandidà ampiasaina amin'ny fampielezan-kevitra hoy ny mpahay lalàna, Sahondra Rabenarivo... ♦ Tovovavy malagasy miisa 07 no lasa mpivaro-tena atsy amin'ny nosy Mayotte, ary nosamborin'ny Zandary any an-toerana. Nofitahina ka noterena hivaro-tena izy ireo, rehefa niantohana ara-bola niala teto Madagasikara... ♦ Handaniana 20 ka hatramin'ny 100 tapitrisa Ariary ny fandefasana mpianatra mandranto fianarana any ivelany amin'izao. Manana vahaolana amin'izany ny orinasa Andafy-Study, izay mahavita mandefa mpianatra malagasy miisa 4000 eo isan-taona...

♦ Natomboka ny faran'ny herinandro teo ny fanamboarana ilay fantsona famatsiana rano ho an'ny amin'ny Faritra Androy miala any Efaho. Hahatratra 97 kma ny halavany, hamatsy rano 15 tapitrisa metatra tora-telo isan-taona... ♦ Manahy ny tsy haha-voatazona ny fameram-bidy farany ambany ny lavanila ho 75000 Ariary ireo tantsaha ao anatin'ny Sahanala, taorian'ny famahàna olana tany Sava. Hihaona amin'ny Praiministra izy ireo, manoloana izany... ♦ Nomarihana ny sabotsy teo ny andro eran-tany ho an'ny tany. Hetsi-panentanana nanairana ny rehetra teny Analakely no nentin'ny fianakaviambe Fransiskàna nanamarihana izany... ♦ Mampody ireo terataniny monina sy miasa any Soudan ireo firenena eropeana, manoloana ny ady any an-toerana...

Ny olombelona dia olon'ny fifandraisana. Natoraly ho an'ny olombelona ny fifandraisana miaraka amin'ny manodidina azy. Ny olona tsy afaka mifandray amin'ny hafa dia olona voasokajy ho olona voasazy. Na natoraly ho an'ny olombelona aza anefa dia mila voizina sy kolokoloina ny fihaonana : na ao an-trano na ao amin'ny toeram-piasana na eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

24 aprily 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 22-29)

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...