♦ Manentana ny diosezy rehetra hanatanteraka ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny Fihaonana Nasionaly andiany faha-3 ho an'ny Ankizy ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy... ♦ Ny fitiavan'Andriamanitra no hery mampiova mandrisika hitory ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 29 marsa 2023... ♦ Antenaina hivoaka ny hôpitaly Gemelli ny sabotsy 1 aprily 2023 ny Papa François...
Fikambanana mitondra ny anjara birikiny amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny "Tsara Voatra". Andriamatoa Mamy Razanakolona no filohan'ny fikambanana. Tsy zoviana amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga amin'ny sehatr'asa fampandrosoana izay.
♦ Efa tonga eny amin'ny Fitsarana Annosy, hatramin'ny maraina teo, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, hiatrika ny fampanoavana, noho ny fitorian'ny JIRAMA... ♦ Tsy misy ifandraisany amin'ny asa fanaovan-gazety aloha hatramin'izao, ny vesatra anenjehana an'i Lola Rasoamaharo, hoy ny fanambaran'ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara na ny OJM... ♦ Miantso ny rafitra mpanatanteraka hanaja ny fahafahana haneho hevitra, indrindra amin'izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao, ny antoko RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison...
Rehefa tsapan'ny vahoaka tsirairay ao anatin'ny firenena iray fa azy ny fireneny dia miezaka izy manao ny anjara tandrify azy hahatsara azy, hahasoa azy, na dia hamoizany ny ainy aza. Tsy manana fahamendrehana ny olona tsy misy tanindrazana, tsy misy faneva, tsy fantatra avy aiza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco