♦ Misy "vide juridique" eto Madagasikara, taorian'ny nahafantarana fa mizaka zom-pirenena vahiny ny filoham-pirenena hoy ny filohan'ny antoko MFM. Miantso ny Antenimieram-pirenena, handray andraikitra ity antoko ity, noho izany olana amin'ny lafiny lalàna izany... ♦ Misy mahatratra hatrany amin'ny adiny 15 isan'andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Tsy indray mandeha isan'andro intsony no misy ny "delestage" fa miverimberina ary antoandro sy alina mihitsy... ♦ Nahazo rariny ny Randrana Sendikaly, nandritra ny fivoriam-ben'ny OIT. Nitory tany Génève ity vondrona Sendikaly ity, manoloana ny ambaran'izy ireo fa fanitsakitsahan'ny Fanjakana Malagasy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fahalalahana ara-tsendikaly...
Tsentsina ny lalan-drano, tafakatra hatrany an-trano ny rano maloto noho ny fandotoana hataontsika ihany ; fako eran'ny tanàna sy ny lalana, harona sy tavoahangy plastika amin'ny tatatra miampy kazana fako hafa oty ny arotava. Aretina sy fahafatesana no vokatr'ireny rehetra ireny ; isan'ny fandotoana ihany koa ny fisian'ny setroka fiara sy ny fandoroana fako etsy sy ero satria samy mandoto rivotra ireny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
19 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)
Misy manda lehibe roa miaro antsika kristiana dia ny tenin'Andrimanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ; ary eo ihany koa ny Sakramenta fito. Misongadina amin'ireo Sakramenta fito : ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny filaharana. Tsy misy ny atao hoe "krizy" eo amin'ny fiainan'ny Eglizy fa ny olona tsirairay no tsy mahatsapa ny hasin'ny tenany, aina, fo amam-panahy, tanindrazana, ary ny hasin'ny tontolo iainana.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco