Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦Mihamafy ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'Antananarivo sy ny manodidina, haharitra 15 andro any ho any ny ho faharetan'izay, ka mahatratra ora 2 na 3, isaky ny faritra voakasika... ♦ Hiantso fihaonana mivantana amin'ny birao maharitra eo anivon'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka mpanohitra, nahemotra amin'ny fotoana tsy mbola voafaritra ny lahadinika naroson'izy ireo... ♦ Laharana fahatifo aty Afrika amin'ny famokarana tantely i Madagasikara, mamokatra tantely 3.000-4.000 taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika nivoaka ny taona 2023...
21 mey — Teraka tao Totatiche, diôsezin'i Guadalajara, Mexique ny 30 jolay 1869 i Christophe na i Cristóbal. Magallanes Jara no anarany, pretra izy, nohamasinina tamin'ny 17 septambra 1899 ary isan'ireo martiry 25 tao Mexique.
• Tsy raikitra fa ahemotra amin'ny fotoana manaraka mbola tsy voafaritra ny lahadinika naroson'ny depiote mpanohitra, niantsoana ireo minisitra efatra eny Tsimbazaza. Tsy azo leferina intsony ny fanitsakitsahana lalana ataon'ny mpanao lalana tahaka izao, hoy ny Solombavam-bahoka mpanohitra, Hanitra Razafimanantsoa... • Hiditra amin'ny andiany faha-11 ny hetsika iraisam-pirenena ho an'ny fizahan-tany, na ny ITM, amin'ity taona ity. Hotanterahana ny 12 hatramin'ny 15 jona 2025 etsy CCI Ivato izany... • Tanterahana any Mahajanga androany sy rahampitso ny fikaonan-doham-pirenena sy fifanakalozana momba ny tantely, iarahan'ny Tranoben'ny Tantsaha sy ny FAO mikarakara...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco