♦ Mpanao politika sady olom-boafidy fahatelo voasambotra tao anatin'izao hetsika fitakiana ny jiro izao ny solombavambahoaka an'Arivonimamo Rajerison Antoine... ♦ Zo fototra arovan'ny Lalàm-panorenana ny fisitrahana rano fisotro madio sy angovo ahafahana mihary, ny fahafahana maneho hevitra, ary ny fisitrahana ny fiarovana ny aina sy ny fananana avy amin'ny mpitandro filaminana hoy ny fanambaran'ny sendika SECES... ♦ Manambana ny hanao fitokonana ny sendika TRIADE ka manome 48 ora hamalina ireo fitakiny amin'ny hialan'ny Ministry ny Fahasalambahoaka... ♦ Manao hetsi-pitakiana ny tanora any Maroc entina hanatsarana rafi-pampianarana sy fahasalamana...
Tena pitik’afo kely nandrehitra ny hatezeran’ireo niteny tsy nisy nihaino sy tofoka ninia nangina ny... fikitihana ireo izay saika hijoro amin’ny filàna fototra tsy nisitrahana maharitra. Tratry ny angaredona tokoa ireo telo mianadahy nanana fahasahiana nitarika daba mavo sy nivimbina labozia teny am-baravaran’ny lapa teny Anosikely ka toa nimpirimpirina ankolaka. Tsy sakana ho an’ireo efa niaritra haizina sy hetaheta... indrindra ireo efa leo nampanantenaina vahaolana isaky ny mandeha anefa izany.
♦ Niaiky amin'ny fisian'ny fahatarana amin'ny fandraisana andraikitra ny filoha Andry Rajoelina, izay efa eto an-tanindrazana nanomboka ny sabotsy 17 septambra teo... ♦ Tsy mitovy hevitra amin'ny famerenana ny fampianarana ireo sekoly amin'ity alatsinainy 29 septambra 2025 ity... ♦ Mbola hanamafy ny hetsika maity anio alatsinainy 29 septambra 2025, ireo tanora indray mihira "Z" (Gen Z)... ♦ Mampitovy tadindokanga ireo kandida filoham-pirenena avy amin'ny hery fanoherana any Cameroune...
Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco