♦ Tonga maro, namaly ny antson'ny CENI ireo mpisehatra pôlitika androany, teny Alarobia... ♦ Nisy ireo antoko pôlitika maromaro, mikasa hanova ny lalana fehizoro mikasika ny fifidianana, eny amin'ny Antenimiera mpanao lalana, amin'ny volana mey... ♦ Misedra olana amin'ny tsy fisian'ny mpividy lavanila koa, ireo mpandraharaha any Mandritsara, ka manao antso avo amin'ny fitondram-panjakana...
Miaina andram-piainana fihetseham-po miovaova sy mahery vaika ny zatovo. Zava-dehibe ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po. Mety hitarika fahavoazana ny tsy fahaizana mitantana azy, ary manampy amin'ny lafim-piainana maro ny fifehezana azy. Ahafahana manana fomba fijery miabo sy mandray fanapahan-kevitra tsara ny fahaizana mitantana ny fihetseham-po...
♦ Hotanterahana anio eny Alarobia, ny dinika momba ny zotram-pifidianana, izay iarahana amin'ny CENI amin'ireo sehatra pôlitika. Efa nilaza ny hanatrika izany koa ny FFKM... ♦ Milaza ho tsy matoky intsony ny HCC, ary miahiahy amin'ny fifidianana madio ireo Solombavam-bahoaka niray feo teny Ambohimanambola omaly... ♦ Nihamafy ny hetsi-pitakiana nataon'ny mpianatra eny Vontovorona. Niditra an-tsehatra tamin'ny fisamborana, ny mpitandro ny filaminana...
Tsy "idéologie" no ampianarin'ny Eglizy na tsikera tsy mitombona fa fanajana ny finoan'ny tsirairay ary izay tsy hapotika ny firenena, izany hoe mikatsaka ny fampandrosoana hatrany. Ny pôlitika amin'ny Egizy dia tsy fitsetsefana mivantana na ankolaka ny olona ohatra hoe ampahafolon-karena. Ny Eglizy dia manao ny andraikiny amin'ny fanabeazana indrindra ny ara-moraly. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco