Rehefa mifanakalo na miady hevitra ny olona roa dia mahita teny ierana. Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona, ny fifanakalozan-kevitra dia fampianarana antsika hitaiza fihetseham-po ary koa fankatoavana ny zon'ny olona iray haneho ny heviny. Ny fifampihainoana dia mariky ny fahamatorana. Maro ny voka-dratsin'ny tsy fifampihainoana eo anivon'ny fianakaviana, isan'ireny ny olan'ny tanora. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
5 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
♦ Tsipahan'ny KMF/Cnoe ny fisian'ny tolo-dàlana vaovao hanitsiana ny làlam-pifidianana. Tsy mahasolo tena ny vahoaka ireo namolavola io tolo-dàlana io, fa fakan-kevitra isam-paritra no tokony ho natao... ♦ Nomelohin'ny Fitsarana hiasa an-terivozona 7 taona, Ramatoa Raissa Razaivola. Niteny ampahibemaso izy androany, fa noterena handiso ny zavatra nolazainy, momba ireo mpanondrana volamena an-tsokosoko... ♦ Voatazona ho 285.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara, amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly fa mamono mpiasa malagasy izany...
♦ Niarahaba ny Filoham-pirenena tamin'ny anaranan'ny governemanta Malagasy omaly ny Praiministra Ntsay Christian, tamin'ny nahavoahosotra azy ho "Mpanorina lehibe aty Afrika" ka nahazoany ny loka "Babacar Ndiaye"... ♦ Tanora miisa 4.000 no ho raisina hilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny tafika Malagasy amin'ity taona ity, ka fifanarahana mandritra ny 2 taona no atao, manomboka amin'ny voalohan'y volana aogositra izao... ♦ Miantraika mivantana amin'ny mponina any amin'ny Faritra atsimo atsinanana ny fiovaovan'ny toetr'andro. Taorian'ny ranobe tamin'ny rivo-doza dia mananontanona indray izao ny hain-tany... ♦ Tany Rosia, nisy "drone" tsy fantatra nalefa sy napoaka ka niteraka firehetana tao amin'ny toeram-pandiovana solika...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco