♦ Amperin'asa tanteraka ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin'ny Fanjakàna ny harena azo avy amin'ny fomba tsy ara-dalana na ny ARAI. Tombanana 5 miliara Ariary mahery sy fiara 180 isa no efa nogiazan'izy ireo... ♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny Aro Loza sy ny Fahasalamana momba ny asa isika teto Madagasikara. 900 isa mahery ny isan'ny mpiasa niharan'izay loza amperin'asa izay ny taona 2022... ♦ Hohamafisina ny fanaraha-maso ny aretina mpahazo ny biby mety hifindra amin'ny olombelona na ilay antsoina hoe " zoonos". Amin'ny alalan'ny tetik'asa AFRICAM no ahafahana manatanteraka izany ho antsika malagasy...
Mila manana fahadiovam-po tanteraka ny olona tsirairay ary tsy tokony hitsaratsara ivelany. Toe-panahy tokony hanjaka ny hoe hitady zavatra iray iarahana manatanteraka mba hanehoana fiombonana sy hikatsahana soa iombonana. Omena ny hasiny ny olona tsirairay ary tokony hisongadina ny fandraisana ireo voalikilika. Ny fifamelana dia fototra tsara ho an'ny fifandraisana. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
29 aprily 2023 — Sabotsy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)
♦ Vola hatrany amin'ny 720 tapitrisa sy 5 miliara Ariary no giazan'ny ARAI, na ny sampan-draharaha misahana ny famerenana amin'ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin'ny tsy ara-dalana, miampy fiara 182 sy fananana samihafa, nanomboka ny taona 2022 nijoroan'ity rafitra ity... ♦ Mahatratra 714.000 Dolara ny trosan'ny mpiasan'ny Air Madagascar amin'ity kaompaniam-pitaterana an'habakabaka ity. Karaman'ny mpiasa tsy voaloa tao anatin'ny herintaona, izay tsy maintsy voaloa mialoha ny faran'ity volana ity, hoy ny Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Madagasacar Airlines...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco