Maniry fatratra ny Eglizy Reny mba ho voatarika amin'izany fandraisana anjara feno, amim-pahatsiarovan-tena sy amim-pahavitrihana amin'ny fankalazana Litorjika izany ny mpino rehetra, izay angatahin'ny fomba ny litorjia. Kanefa tsy mitovy raharaha ny ratsambatana rehetra satria misy ireo natsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana manokana amin'ny alalan'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Misy tetika politika ataon'ny antoko iray manana kandida ho Filohan'ny Repoblika, ny fanenjehana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena tato ho ato, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'ny Distrikan'Ifanadiana... • Hatsaraina ny fomba fisitrahan'ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona ny fiara fitateram-bahoaka. Hampiarina atsy ho atsy ny sata vaovao ifanarahan'ny mpitatitra sy ny mpitandro ny filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana... • Nahitana sokatra 162 isa tao amin'ny trano fonenan'ny teratany Sinoa iray, mpitantana trano filokana na “casino”, etsy Ilaivola Ivato...
♦ Mitohy hatrany ny asan'ny vaomieram-pirenena mahaleontena misahana ny fifidianana (CENI), na miato aza ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy... ♦ Efa niverina nanomboka ny 12 novambra teo ny famatsiam-bola avy amin'ny Banky Iraisam-Pirenena ho an'i Madagasikara, tetik'asa miisa 24 no voakasiky ny famatsiam-bola mitentina 4 miliara Dollar... ♦ Namoaka filazana loza manambana, miloko mavo, ho an'ny lemak'Antananarivo lalovan'ny renirano Sisaony ny APIPA, tamin'ny 8 ora maraina teo... ♦ Fanirian'ny Papa Léon-XIV amin'ny fitsidihana firenena manaraka ny hamangy firenena afrikàna, isan'izany ny any Algérie...
Ireo "FA" miisa 4, mifampiankina sy mifameno : Fahalalana, fahaiza-manao, fahombiazana, fahavanonana. Ny fahalalana dia ilain'ny olona rehetra, antony handefasana ny ankizy hianatra, eo koa ny fiofanana maro lafy. Ny fanitaràna ny fahalalana dia mampitombo ny fahombiazana amin'ny zavatra hatao. Ny fahaiza-manao dia afahana mahazo vokatra, ary manome aina ny fahalalana. Miankina amin'ny tsirairay anefa fahafahana mitrandraka ireo "FA" miisa 4 ireo... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco