17 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)
♦ Tsy manaiky ny hisian'ny fitondrana tetezamita ny Solombavam-bahoaka avy amin'ny antoko TIM. Manohana ny dinika eo amin'ny hery velona samihafa mialoha ny hirosoana amin'ny fifidianana kosa izy ireo... ♦ Natomboka androany ny hetsika fanaovam-bakisiny miaro amin'ny lefakozatra. Zaza latsaky ny 5 taona, maherin'ny 3 hetsy sy 5 tapitrisa, no kendrena ho vita vakisiny amin'ny Faritra 23, mandritra ny efatra andro... ♦ Nitsidika ny AFT eny Andavamamba, ny Sekreteram-panjakana frantsay, miadidy ny fampandrosoana, ny frankôfônia ary ny fiaraha-miombona antoka iraisam-pirenena...
♦ Manamafy ireo mpanara-dia ny fitondrana fa tsy mitombina ny firosoana amin'ny fitondrana tetezamita. Tsy fitadiavan-tseza fa fanolorana vahaolana, hisorohana krizy ao aorian'ny fifidianana, ny fitakiana izany, hoy ny vovonana Gasy Leo... ♦ Mikisaka mianatsimo somary andrefana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana, ilay rivodoza Fabien amin'izao. Araha-maso ny fivoarany, na dia mbola tsy ahiana hisy fiantraikany amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara aza aloha ny fisiany... ♦ Tena misy ny olana ara-tsakafo any amin'ireo kaominina maromaro any amin'ny Distrikan'i Manakara sy Ikongo, ankehitriny...
Ny atao hoe tontolo iainana dia mifitotra amin'ireto zavatra dimy ireto amin'ny ankapobeny : ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ala sy izay rehetra ao aminy, ny rano sy izay rehetra misy ao aminy, ny tanàna sy izay rehetra hita ao aminy ary ny faritra honenana sy izay rehetra ao aminy. Ny voambolana fampiasa matetika tsara tadidiana amin'ny resaka tontolo iainana dia ireto telo ireto : Kajiana, tandrovina ary ny arovana. Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Foibe momba ny teny, ny akademy malagasy sy ny sampandraharaha isan-karazany amin'ny fanefena voamboalana, ohatra ny OIF sy ny ADES. volambao : angovo mikajy tontolo, sy ny hoe fahandro mikajy tontolo. Fandaharana "Filira" sokajy fitsipika.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco