Sabotsy 4 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

♦ Mihamanatona ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana indray, ilay rivodoza Freddy. Hitohy hahazo rotsak'orana betsaka ny tapany andrefana sy ny atsimon'ny nosy, hatramin'ny alatsinainy... ♦ Vehivavy 80000 no hanatrika ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny 8 marsa eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina, amin'ny alarobia izao. Hetsika eo ambany fitarihan'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voavaha ny olan'ireo mpiasan'ny lalamby FCE, rehefa nanao fitokonana lavareny, noho ny tsy fandraisana karama. Nahita vahaolana niaraka tamin'ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana, izy ireo...

♦ Antsoina hiaina ny fanantenana feno hafaliana, miasa sy tia mamorona: io no lohateny ho an'ny Andro eran-tanin'ny MDMK-CVX, izay ankalazaina isaky ny 25 marsa... ♦ Hetsika fambolen-kazo izay tafiditra aoa anatin'ny fankalazana ny faha-150 taona nahaterahan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, no entin'ireo avy eo anivon'ny AMLT hanombohana ny taom-pankalazana... ♦ Naneho ny alahelony tamin'ny fahafatesan'i Mgr David O'Connell, Eveka mpanampy tao Los Angeles, tamin'ny alalan'ny telegrama izay nosoratany ka nosoniavin'ny Kardinaly Pietro Parolin...

Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...