♦ Misy ireo entana lany daty miparitaka any Morondava. Takian'ireo mpanjifa ny hampahafantarana ny mpamongady mivarotra izany... ♦ Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an'ireo tra-boina vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy tan Mananjary ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry... ♦ Hitarika tsy fitoniana amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny sakantsakana atao amin'ireo antoko pôlitika, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Miantso amin'ny tokony hamerenana ny fandriam-pahalemana ao Ukraine ny Papa François, amin'izao fahaherintaona nanafihan'i Rosia an'i Ukraine izao...

Ny fiadanana tian'i Kristy ambara dia ny finoana Azy ho Tompo sy Andriamanitra ary ny fiekena fa tafatsangan-ko velona tokoa Izy, izany hoe nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. Tsy tokony hitebiteby ao am-po ny mpianatr'i Kristy, fa miezaka hianatra sy hahalala ny Soratra Masina ary miaina izany mba tsy ho voafitaka sy voafandriky ny fiainan'izao tontolo izao. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Sabotsy 25 febroary 2023 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)

♦ Asa tanamaro, fanarenana ny CEG Mananjary, izay potiky ny rivodoza Freddy, no namaranana ny fitsidihan'ny Filohan'ny Repoblika, ny tany Mananjary androany tolakandro... ♦ Tsy hampisy fitoniana amin'izao mialoha ny fifidianana izao, ny fanakanana ny antoko pôlitika hamory ny mpomba azy, toy ny teny amin'ny Magro Behoririka androany, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Mila hamafisina ny fanatsarana ny ady amin'ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany malagasy, hiarovana ny zon'ny mponina voakasika, hoy ny TI-MG androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...